mercredi 25 janvier 2012

Faly miarahaba antsika rehetra mpikatroka ny taranja Aïkido tratry ny taom-baovao, dia mirary soa sy fanambinana hatrany ny tsirairay avy ary enga anie ity taona vaovao ity hitondra fandriam-pahalemana ny firenentsika sy izao tontolo izao.

araka ny fandahara-potoana eo ambany dia hisy entraînement iarahana amin'i Sensei Bernard LABOUESSE, izay karakarin'i AMM mba ho mariky ny fiarahabana tratry ny taona ny mpikatroka namana rehetra ka dia maniry koa raha maniry ny hifankahita amin'ny rehetra mpakafy Aïkido;

eny Miandrarivo ary no hifamotoana isika ny Talata 24, Alarobia 25, Alakamisy 26, Zoma 27 janoary amin'ny 6ora maraina ka hatramin'ny 7ora 30, marihina fa ireo andro ireo dia natokana ho an'ireo manao Hakama




Ny asabotsy kosa dia hisy fidirana in-droa maraina : 8ora - 9ora30 Tepana fotsy/hakama
                                                                                 9ora30-11ora Hakama
Hisy fifampiarahabana sy fanalana etaeta aorian'ny entraînement koa samia miomana amin'izany tsy misy sarany ny entraînement fa iangaviana isika mba hitondra zava-pisotro sy tsakitsaky. misaotra tompoko        

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire